4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mariazy - Naly Rakotofiringa

Toy ny lamban’akoho

Ny fitiavam-hady,

Ka aina no fetra

Rehefa mivady

Na ho soa, na ho ratsy,

Ny ananana azy dia masina

Fa tsy vazivazy

Masina loatra ny mariazy.



Manotrona maro ny mpianakavy.

Ny havan’ny lahy sy an’ny vavy

Hiarak’ireo manombok’ anio

Ka hajao tsara, sy mba tadidio



Koa mahaiza ianareo

Mba mifankantia

Tsy ho anio na ampitso ihany

Fa ho doria

Mandra-maty ny fitivana nekena

Satria ny mariazy dia

Vita fanekena.

Maroa dimby sy fara

Izany no tso-drano ambara

Izy ho anao ary ianao ho azy

Vita ny mariazy.



Rodombe Naly RAKOTOFIRINGA

Partager mariazy

Commenter mariazy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Naly Rakotofiringa

Suite