4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lanitra manga - Naly Rakotofiringa

Nahoana no misy ny lanitra manga

Hilalaovan’ny rahona manangasanga

Nahoana no misy ny alina tony

Hamirapiratan’ny volana eny ambony



Nahoana, nahoana ny tany no feno hoso-doko

Ravahin-tsahondra sy felan’avoko

Nahoana no misy ny rano an’ony

Nahoana no misy ny hazo mamony



Raha fantatrao ny mampisy an’ireny

Kalo mangina fa tsy mba miteny

Bitsika moana sy hira miloko

Sary mivaingana natao hindram-peo

Raha fantatrao ny mampisy an’ireo

Dia ho fantatrao ny antsan’ny foko

Partager lanitra manga

Commenter lanitra manga

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Naly Rakotofiringa

Suite