4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Toera-manirery - Naly Rakotofiringa



(solo vavy)



Ry toera-manirery mitahiry ireo tsiambaratelo

Fifaliana nofaranana alahelo

Fahatsiarovana indrisy no sisa

Nandimby izany andro lasa voatanisanisa



        (fiverenana)  :  Mbola tiako hovangiana ankehitriny

                                  Hahatsiarovako ilay fiadananay fahiny

                                  Ry toerana lalovako miserana

                                  Misy hasambaran’olon-droa

                                  Matory tsy mifoha



Izao no hafatra ataoko amin’izay havako izay

Hokaloiko irery izany hiranay

Mba hanako ao am-pony ny tantarany

Ary koa ilay veloma nataonay farany



        (fiverenana) :  Mbola tiako hovangiana .......





                                     MPIHIRA :  Jeanne Naly

Partager toera-manirery

Commenter toera-manirery

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Naly Rakotofiringa

Suite