4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fifankatiavana - Antsa an'i Kristy

Ny teninao Jehovah Ray

Ny anatrao no nampiray

Na tsy mpihavana aza izahay

Dia afaka ny hifandray

   Sy tena mifankatia tokoa

   Fa Jeso nampianatra ny soa

   Na anaty sarotra aza izahay

   Dia afaka hifanohana tokoa oooooooo

An-tany lavita izahay

Hitory teny am-panahy

Kanefa dia tsy mba manana ahiahy

Fa teo ilay mpianatra miray

    Nomenao fanahy hendry koa.....

    Ka vonona ny, hanao ny soa

    Izany no tanteraka,

    Dia no Ianao ry Jeso Soa

    Satria Ianao no loharan-tsoa oooooo

Io teninao io nanova ahy

Voadio ny saina sy fanahy

Iriko mba hiova, ny fitondran-tenanay

Ho mendrika Anao tokoa ry Ray

    ’Ndrindra ireo mpino namako

     Hiray fo sy saina amiko

     Hifampitanana, hiara-dia hatramin’izao

     Hitandro ny fifankatiavana (3 fois)

Partager fifankatiavana

Commenter fifankatiavana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antsa an'i Kristy

Suite