4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Izaho koa mba hitorio - Antsa an'i Kristy

Izaho koa mba hitorio



Ho aiza ianareo izay mifamorivory io ?

Mihira sy toa midera, toa misy pasitera

Ho aiza ianareo miakanjo fotsy sy madio ?

Ho aiza e, ho aiza e ? Izaho koa mba hitono



Tsy mora ny miady, miady amin’ilay mpandrava

Tsy iza anie izany, tsy iza fa ilay satana

Izahay kosa mandeha mitady an’i Jesosy

Fa izy ihany no maharesy izany



Raha mbola ho any ihany ianareo e ! e !

Vonona aho handeha ka sakeleho e ! e !

Izaho koa mba te hihaona amin’ilay Mpamonjy e ! e !

Ho afaka mba ho voavonjy



Vonona hizara hatreo ny hareko e ! e !

Amin’ny mahantra sy ireo malahelo e ! e !

Izaho koa mba te hihaona amin’ilay Mpamonjy e ! e !

Ho afaka mba ho voavonjy



Antsa an’i Kristy


Partager izaho koa mba hitorio

Commenter izaho koa mba hitorio

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antsa an'i Kristy

Suite