4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ampy ahy - Antsa an'i Kristy

AMPY AHY



Ampy ahy Jeso ny fahalemeko

Ampy ahy Jeso ny fahareseko

Ampy ahy Jeso ny fahantrako

Ampy ahy Jeso ny faharavako

Resy aho Jeso ka mahonena

Toa tsy manana anjara famonjena

Tsaroako fa maizina ny tany

Aiza izay havan-tsy mety lany



Ampy ahy Jeso ny tsy fisiana

Ampy ahy Jeso ny fahoriana

Ampy ahy Jeso ny fahalavoako

Ampy ahy Jeso ny foko mitoloko

Menatra aho tsy sahy mitaraina

Sao tsy ho isan’ireo izay notsongaina

Very aho nilaozan’ny rehetra

Mba mila izay fitiavan-tsy voafetra



Ampy ahy Jeso ny sento sy tomany

Ampy ahy Jeso ny fijaliana sesilany

Ampy ahy Jeso ny haratsian’ny tany

Ampy ahy Jeso ny hadalan-tsy mety lany

Tsy ampy ahy ny harena eto an-tany

Tsisy filaminan-tsaina izany

Tano ka fikiro hatrany hatrany

Jeso Tompo, fiadanam-be tsy lany






Partager ampy ahy

Commenter ampy ahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antsa an'i Kristy

Suite