4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tonga jeso tia - Antsa an'i Kristy

Mpanota ô ! heveronao ange

Ny ota vitantsika marobe

Moa fantatrao ny ilazana anao

Fa olom-bery sy voaozona hatrizao

Ilay Edena zay nomen’ny Ray

Nirodana ka toy ny tany hay

Nafoy hatreo, nisompatra satana

Ka very teo ny fiadanana nantenana



Ekeko izao ny fitiavanao

Lay efa very tonga zanakao

Voavotra ny aiko re ry  Ray

Ka faka ho sambatra mandrakizay

Ny faniriako re mba tanteraho

Na dia tsy mendrika aza re ty izaho

Hiaraka aminao na aiza aleha

Ny anaranao irery no ataoko rehareha



Refrain :

Kanefa tonga Jesoa tia nanavotra ahy

Nanaisotra ny ota maro mampanahy

Voasarona ny heloka ka mifalia

He sambatra noho ny ran’ny Tompo.

Partager tonga jeso tia

Commenter tonga jeso tia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antsa an'i Kristy

Suite