4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Jesosy mpanafaka - Antsa an'i Kristy

Tao anaty lalina no niantsoako anao

Meteza re ianao hihaino ny fifonako

Ka aza ilaozanao mihodina aho

Na dia tsy mendrika anao

Vonjeo, vonjeo, vonjeo fa mitalaho

Aza dia ny fahatezeranao

No hananaranao ahy

Aoka mba ho amin’ny famindram-ponao



Tao anaty aizina no nampandady ahy

Kanefa tsy mba nisy nety nanazava ahy

Nefa tiako ho tsapanao tompo ô fa

N’inona inona hanjo ahy

Ny aiko dia natokako ho anao

Saingy amin’izao fahoriako izao

Iza intsony no mila ahy

Ho ahy jeso, ho aiza moa aho???



Refrain : Tsia jesosy ô! Tsy harena no omeko anao

             Tsy vola, volamena fa ny tenako ho anao ô! ô!

             Tsy manaiky aho Jeso raha tsy tahianao

             Ka ny feoko no asandratro  ho anao



Maneke fa ao i Jesosy fitiavana

Manohana izay rehetra efa lavo izy

Eo akaikin’izay miantso azy

Miantra sy mamindra fo

Mampitraka izay rehetra mitanondrika

Manasitrana ny aretina izy

Tsy manisa heloka izy

Mendrika homem-boninahitra



Hitako ny kintana mamirampiratra

Ny volamena, vatosoa, ny harena eto an-tany

Saingy tena tsy ampy, tsy ampy ahy

Raha tsy eo ilay tomponay

Jesosy no harena miavaka

Raha asainao misafidy aho

Dia tsy mihambahamba hatrany

Itafiako JESOSY MPANAFAKA ahy





            Mpihira : Dr. Jean Alphonse

Partager jesosy mpanafaka

Commenter jesosy mpanafaka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antsa an'i Kristy

Suite