4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fahefana - Antsa an'i Kristy

                                   FAHEFANA

Tsindrim-peo kely monja

dia ampy hanoina anao

miaka-peo mampiseo

fa manam-pahefana  ianao

fahefana anananao

dia indro hireharehavanao (hatrany o)

mihevitena ambony ianao kinanjo

ambany ny fisainanao

            Tebiteby lava izao

             miandry vao mifoha ianao

             hisaintsaina avy hatrany

             izay andrapaka androany indray

             raha manana olana iray

             miangavy tompom-pahefana

             hatrany lavitra angaha ianao

             dia indro havezivezy tsotra izao

    Jeso Tompo no nanambara

     voasoratra io mba ho tanatara

     tsy tiany ny hanafintohina

     ireo madinika mino azy

     manetry tena dia hasandratra

      manandra -tena dia ahetry

      hatrany an-danitra

      ety an-tany, dia JESO

      tompom-pahefana hatrany

Partager fahefana

Commenter fahefana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antsa an'i Kristy

Suite