4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Toroy aho - Antsa an'i Kristy

Hadalana tsy miato no iainako izao

Hadisoana sy heloka eo anilanao

Sanatria tsy hoe mamilafila Anao

Fa voafitak’izao tontolo izao



Misy areti-mandoza iainatsika izao

Avy amin’ny fijangajangana izao

‘Zay manjo ny tanora marobe toa anao

Ny hetraketrak’izao tontolo izao



Ref:

        Toroy aho, toroy aho

        Làlana handreseko ny otako

        Tsy amin-tsabatra, tsy amin-defona

        Fa Ianao Jeso no hanampy ahy



        Toroy aho, toroy aho

        Fa tiako ny hiala amin’zay

        ‘Zay ratsy efa vitako mba hodiovinao

        Tsy amin-drano fa amin’ny rànao



Faharesena amam-panahy dia tsy misy toy izao

Ny hiverenana amin’lay ota natao

Inona ary ny tsiambaratelon’izao

Tsy hitodiana amin’ny ratsy natao

Partager toroy aho

Commenter toroy aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antsa an'i Kristy

Suite