4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitsaran'olombelona - Antsa an'i Kristy

aiza Jesosy o ilay fitia nampianarinao

nanjavona satria nolavin’izao tontolo izao tontolo izao

Aiza Jesosy o ilay fahamarinana

fa tsolotra no iainana izao

na mety ny atao nefa tsy ampy vola ianao

dia takona, dia takona ilay fahamarinana

na meloka aza ianao, voadio’ny volanao

vonjeo izahay Jeso fa mitoreo

vonjeo fa simba izao tontolo izao



ref:

fitsaran’olombelona, misy fetrany ihany

fa ianao Jesosy o no tompon’ny teny farany



ny manambola miadana aoka izany

harena azo avy amin’ny tsy marina izany

fa ny tena harena dia tsoriko aminao

Jesosy monina ao anatinao

na sarotra ny atao, be ny fampahoriana anao

tsarovy fa ny Tomponao dia tsy handao anao

na resy aza ianao misento lava izao

Jesosy anie no andry iankinanao

idongio Jeso hanafaka anao



ref

Partager fitsaran'olombelona

Commenter fitsaran'olombelona

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antsa an'i Kristy

Suite