4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Jesosy o ! - Antsa an'i Kristy





1-Jesosy ô! vonjeo aho

   Fa diso ny nataoko taminao

   Naditra aho, narary koa

   Nefa mamiko loatra ny ho eo anilanao.

   Indro fa tonga fiadanana

   Ilay fahoriana nangidy tamiko

   Izany midika fa tia ahy Jesoa

   Fa ny fahasoavanao no atay izao ahy





Refrain:

Inty aho Jesosy ô!

Vonona ho anao

Maniry ny hiara-dàlana aminao

Vonona hamafy ny teny Masinao

Jeso, mamiko loatra ny ho eo anilanao





2-Jesosy ô! tantano aho

   Hanaraka ny didy masinao

   Fenoinao fitiavanao, Jeso

   Mamiko loatra ny eo anilanao

   Vohay ny foko hidiranao

   Fenoy feno Fanahy Masinao

   Mba tsy ho voarombaky ny hafa aho

   Fa ny fahasoavanao no aoka hanjaka ao

Partager jesosy o !

Commenter jesosy o !

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antsa an'i Kristy

Suite