4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny hatsaranao - Antsa an'i Kristy

Hobio hatrany ilay Raiko tsara indrindra

Nanorina izao tontolo izao

Fa mendrika azy ny haja ambony

Ka sambatra izay matahotra Azy



Fa na izaho mba hanao toy izany

Tsy hierika etsy sy eroa

Indrindra indrindra tsy hanompo Tompo roa

Fa ampy ahy ny fahasoavanao



Ny hatsaranao tena ampy ahy

ampy ahy, ampy tokoa

Izay vitanao sy ny hatsaranao

Afa-po aho amin’ny fitiavanao

Ts’isy soa azoko oharina Aminao

Ny hatsaranao



Indraindray aho toa tsy mendrika Anao

Koa aza ariana aho noho izany

Vonjeo hatrany ny fanahin-janakao

Mangataka ny hamoram-ponao



Ity ny tenako atolotro hosasanao

Mba tsy hisy pentina ho Anao

Tsy very akory ilay ra nalatsakao

Fa manadio ahy hatram’izao



Ny hatsaranao ...

Tena ampy ahy ...

Partager ny hatsaranao

Commenter ny hatsaranao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antsa an'i Kristy

Suite