4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lasa i rakoto frah - Erick Manana

Kepoka teo, hankina zendana e !

Namela anay ho kamboty ilay zokibe

Nirodana teo ilay andry niankinana e !

Nivalo-mainty be re ny lanitra

Maty ilay kintana e !



Fa be ireo kalaza f’ianao no namiratra e !

Fa be re ny mamy f’ianao no tanteliko e  

Nangidy teo ny vava nilaozanao tampoka e

Tomany teo ireo sodina, dify ilay tompony e !



Lasa izy e

Lasa i Rakoto ô !



Lasa ianao Rakoto

Ity foko vontovonto

Vontovonton’alahelo mafy

Fa fony fahavelonao

Mba nofinofinao

Ny mba hioty izay nisasara(na)

Fa efa maty va

Vao olo-manga angaha ?

Dodododo manao veloma fara(ny)

Fa diso tara loatra

Ianao efa any ankoatra

Matoria any am-piadanana !



Tsy ho afaka an-tsaiko izy mivanitika e !

Ireo sangisangy, lalao nifanaovana e !

Ny adiadinay, ranomaso be

Nifarana foana tamin’ny vazo, hira sy horoka e !

Veloma, masina r’ilay akamako e !

Fa be re no vitany, aleo izy handeha

Velezo ny amponga, handihizo ny hirany e !

Fa izay re no hafany, hantahantany farany e !



Laza izy e !

Lasa i Rakoto ô !



Lasa ianao Rakoto ...

Partager lasa i rakoto frah

Commenter lasa i rakoto frah

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Erick Manana

Suite