4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lasa aiza ilay zoma? - Erick Manana



Fa lasa aiza ilay Zoma?

Tsena midadasika

Tsena be iray tsy hanoarana

Eran-tany ny lazany a!



Fa lasa aiza ilay Zoma?

Tsena be mahoraka

Tsena be tsy lany resaka iny

Tonga gina toa fasana



Foana tsisy intsony izy

Sady haolo mangingina

Ngazana

Fa madio hono hoe

Nefa tsisy fanahy



Mangatsiaka toa vatam-paty

Tsy ampy tosi-drà

Nitsahatra nitempo teo

Ny fon’ilay TANA

O!Zoma...  

Partager lasa aiza ilay zoma?

Commenter lasa aiza ilay zoma?

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Erick Manana

Suite