4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tamboho - Erick Manana

Revirevinay taloha, mihirahira eo ambony tamboho.

Guitara vaky no hifandimbiasanay eo,

Malaina ery ny hifandaho, maraina vao misaraka...



Revirevinay taloha, misotrosotro eo ambony tamboho

Rehefa madiva ho faty masoandro

Mirongatra ny vinany, de teraka eo ilay hira vao...



Homehy irery aho mahatsiaro

Irony hatanorana zalahy

Be reo hadalàna, mafy loha tsy azo raràna

Antitra ihany ity...ny farany a!



Revirevinay taloha, mikaoty sipa eo ambony tamboho

Miandry izay hiravahan'ny mpianatra

Dia manadàla anareo...Andriambavilanitra.



Revirevinay taloha, mivangabao eo ambony tamboho

Ny fiainana no mba nampianatra any

Ny soa, ny ratsy, ny fady...Tapitra nolalovanay.



Homehy irery aho mahatsiaro

Irony hatanorana zalahy

Be reo hadalàna, mafy loha tsy azo raràna

Antitra ihany ity...ny farany ah



Ô ry akamako taloha,

Rahoviana indray no ho eny ambony tamboho?

Hisary adala faramparany a!

Fiainana ity efa fohy... ka asio fiverenana(x3)

Partager tamboho

Commenter tamboho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Erick Manana

Suite