4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ora farany - Erick Manana

Izao ny ora farany a !

Ora farany mandra-paha

Fero hatreto ny ahiahy

F’isika hizotra hiaraka

Izao ny ora farany a !

Ora farany mandra-paha

Sentosento nampahory

Ho foana tsy hisy hiangana



Ny ampingantsika

Azo antoka fa

Tsy hanary antsika

Fitiavana no anarany a !



Lanitra hirodana

Tany hihovitrovitra

Tsy mampaninona

Ity ny foko hirakofana

Raha mbola anatiko ao

Fitia nisahiranana

Io no tanantsika

Na hatrany ambany rangolahy

Partager ora farany

Commenter ora farany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Erick Manana

Suite