4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Misy miala ao - Erick Manana

Eto aho no hiala e, ry aiko o !

Ny hanohy hatrany e, toa tsy ho haiko o !

Ny lalana miolankolana e,

Alatsaho eto aho, misy miala ao e !



Fitia tsy mba hetra e,

Fitia tsy mba ozona o !

Aleo mifametra e,

Ndrao lasa poizina o !



Eto aho no hiala e,

Hadinoy ny amiko o

Rano feno tsingala e

Tsy mba fisotroko o !



Ny hiranao e, tsy vazoko o !

Famindranao e, tsy fidolako o !

Izay revinao e, nofiratsiko o !

Tairo aho hifoha, misy miala ao e !



Ny lalanao miolankolana e,

Alatsaho eto aho, misy miala ao e !




Partager misy miala ao

Commenter misy miala ao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Erick Manana

Suite