4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ankizy toa very dia - Dadah

ANKIZY TOA VERY DIA



Ankizy toa very dia,

Sendra nilaozan’ny tiany,

Ity foko mbola tia,

Mitomany sy ory mangina.

   Tsy misy saro-dresena

   Toy ny fahatsiarovana;

   Ny tarehiko mando sy lena

   No marik’izany Rahavana...



Maloka tampoka teo

Ny lanitra manga fahiny;

Rahona no indro eo

manamalok’iny fitiavako iny;

   Ny volana mihidy an-trano

   Tsy mety manazava intsony

   Tsy riririna, tsy lohataona

   Fa maizina ny lanitra ambony...



Mibaliaka ve ny masoandro

Any aminao lavitra any;

Tsy alina, tsy atoandro

Ny aty maizim-pito ihany;

   Ny volana mihidy an-trano

   Tsy mety manazava intsony;

   Tsy ririnina, tsy lohataona

   Fa maizina ny lanitra ambony



Dadah

Partager ankizy toa very dia

Commenter ankizy toa very dia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dadah