4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Manembona - Dadah

Manembona aho reroy

Tapa-dia toa omby nafahy

Manembona ny hava-tsy foy

Lasa vetso sy very fanahy



Fa vitsika momba kitay

Ny ranomaso no ahavozona ahy

Irery tsy misy mpihay

Singan’olona toa voahozona



Toy ny rahona ny alahelo

Raha mavesatra dia mianjera

Raha tsy’sy ialofana tsy misy elo

Dia mandena mamely tsy miera



Ny alahelo no any sakaiza

Ny tsiahy no iondanana

Te hilefa kanefa mba ho aiza

Sara-tiana noho ny tsy fananana



Tsy ho ela ny lanitra ho manga

Hieretako ’zay zava-mitranga

Ny johary efa managasanga

Ny toerako any tsy hijanona ho banga



DADAH

Partager manembona

Commenter manembona

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dadah