4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Andriamanitra avo - Dadah





Toa tsy ho ela dia ho foana izao tontolo izao

Soa ihany aho fa nihaona sy nahalala anao

Fa teny amoron-kady ny antsana no tazana

Nitodika aho nitady tsy sandry ihantsampazana

Ny manodidina ahy toa maona sy pokaty

Ny hatsaram-panahy nandositra sa maty?

Na ny fitserana aza lasa nandao koa ny fo

Tsisy teny ahalaza ny alaheloko



Indrisy ny fitiavan-tena

Ny loharanon’ny maloto

Tsy mety ritra tsy hay fefena

Ka lasa rano fisotro

Tsy misy atahorana

Hitsakitsahina daholo

Nahilika nodorana

Ny Fahendren’ny Ntaolo



Fa tonga ianao nivatsy finoana sy fitiavana

Handresy ireo ratsy hampiray, hampihavana

Ka ny fitiavana no hasetriko ny sompatra

Ny manodidina ahy ny fony iriko hisokatra



Fa tsisy lalan-tsarotra

Na fitsapana mety handavo

Fa ao hitsinjo hanavotra

ANDRIAMANITRA AVO

Partager andriamanitra avo

Commenter andriamanitra avo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dadah