4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mandehana makany - Dadah

’Ndeha re anaka

Ny reninao hatony

Fa ory zanaka

Mangasiasy ny fony



Aza mitsara

’Zay mety ho vitany

F’izy efa nanambara

Hoe neniny ny ditrany

Koa manantona

Fa reninao io

Aza andrasana hifona

Fa mba tsiditsidio



Koa mandehana

Hadinoy ny fahiny

Fa raha misy fahotana

Tsy azy irery ny tsiny



Raha tapaka ny tady

Tsy izy irery no melohina

Fa olon-droa no mivady

Samy manana anjara hadisoina

Teny nifampiarana

No nisarainay teto

F’izaho tia tena mitana

Anao eto anilako eto



F’efa tonga ny fotoana

Izay hanatonany

Koa handeha ’nareo mihaona

Mianara miara-dia

’Zato ianao efa ela

No nahatsapa ny fahabangany

Koa mianara mamela

Mandehana mankany





DADAH

Partager mandehana makany

Commenter mandehana makany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dadah