4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Manahy - Dadah

MANAHY



Manahy aho,

Ho hataonao toy ny sary indray mipika;

Na koa

Toy irony fasika hoentin-driaka;

Ny foko tia ka ts’isy fiarovana,

Manahy ny hataonao fandalovana,

Hozary fahatsiarovana

Ho zary fahatsiarovana.



   Tsara angamba, raha dieny izao,

   Dieny mbola tia ahy ianao,

   Hoy aho hoe

   Ny mety hatao: mifandao.



Manahy aho

Ho hataonao toy ny aloka miserana;

Na koa

Toy irony mamy tojo fahataperana;

Ianao voky fitia fa natao tsara fahana,

Izaho toy ny lovia avy nihinanana,

Hozary atosi-tànana,

Hozary atosi-tànana.



   Tsara angamba, ...



Tsy hifavavalo

Fa hisaraka toy ny mpihavana;

Ka

Ny tsara ihany no hifanodiavana;

Ka raha mifankahita any aoriana any,

Hiara-hitanisa ireo andro mamy,

Toy ny fitia tsy mola lany,

Toy ny fitia tsy mety lany.



   Tsara angamba...



Dadah

Partager manahy

Commenter manahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dadah