4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny fahalemeko - Dadah

NY FAHALEMEKO



Ny fahalemeko, fahalemen-dehilahy;

Resy aho, ekeko, resin’ny fakam-panahy;

Nararaotiko hatrany ny fahatsoranao,

Ka namangiako tany sy havoana vaovao.



Nefa fahafaham-po tsy naharitra akory,

Fa hadalan’onon-droa fanalàna sorisory;

Ny hatanorako no tsy tiako hofefena,

Ka nanimbaziombako ny fifanekena.



Raha manana olana aho androany, ka mivaky toy izao,

Dia noho ny foko manontany ny antony nandaozako anao;

Tsy navelany aho raha tsy niharina,

Mba hamonjy anao hahitako ny marina.



Ny fahalemeko, fahalemen-dehilahy,

Resy aho, ekeko, resin’ny fakam-panahy,

Io no fahavalo tsy maintsy ho natrehiko,

Nefa areti-mandalo ka tsy anenenako.



Dadah

Partager ny fahalemeko

Commenter ny fahalemeko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dadah