4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Anjara hadisona - Dadah

Ndeha re anaka

ny rainao atony

Fa ory zanaka

mangasiasy ny fony

Aza mitsara

izay mety ho vitany

F’izy efa nanambara

fa neniny ny ditrany

Koa manatona

fa rainao io

aza andrasana hifona

fa mba tsiditsidiho



Koa mandehana

hadinoy ny fahiny

raha misy fahotana

tsy azy irery ny tsiny

Raha tapaka ny tady

tsy izy irery no melohina

fa olon-droa no mivady

samy manana ny anjara hadisoana

Teny nifampierana

no nisarahanay teto

Izaho tia tena nitàna

anao teto anilako eto



Nefa tonga ny fotoana

izay hanatonany

koa ndeha ianareo mihaona

mianara miara-dia

Sady ianao efa ela

no nahatsapa ny fahabangany

Koa mianara mamela

mandehana mankany

Partager anjara hadisona

Commenter anjara hadisona

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dadah