4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitia mahadiso - Dadah

FITIA MAHADISO



Vao anio ianao, vao hitako,

Ny ampitso, tsy andriko indray.

F'izay atao, tsy vitako,

Raha tsy eo ianao, ny andro iray...

Matetika aho, mila hamosavy,

Fa ny alina toa miitatra,

Ka ny maraina, mandà ny hoavy,

Malaina, hihiratra...



Izaho aty, efa dodona sy maika,

Nefa iky, ny ora mitsitaitaika.

Izaho aty, efa dodona sy maika,

Nefa iky, ny ora kosa tsy miraika...



Ny fahafantarako, fa mety tsy hitohy,

Izao fiarahantsika izao,

No mahatonga ahy, tsy hahafoy,

Isan'andro, ny hahita anao.

Ny antsika roa, fitia mahadiso,

Angalarina, ka toa mamy,

Tsy mety ho fantatra ny ampitso,

Raha mbola hihaona ihany...



Izaho aty, efa dodona sy maika,...







   DADAH & INAH

Partager fitia mahadiso

Commenter fitia mahadiso

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dadah