4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ho avy tsy ho ela - Dadah

Fa ho avy tsy ho ela

Hanolo ny hatsiaka ho hafanana

F’izaho tsy hamela

Ny haizina handresy ny hazavana



’reo mafy niafiako

Nandaozako akany namoizako tiana

Efa nikipiko

Ahafahako hivimbina hafaliana

Any aoriana



Fa mipotrapotraka

Ny atsembohako toa tsy ho lany

Ny vatako trotraka

Mandà ny ho lavo fa mijory ihany



Tsy maintsy hivaly

Ny andro manorana mbola ho tsara

Ianareo tsy hijaly

Fa ho avy aho ho tonga, hikarakara

Ao afara



Fa ho avy aho sombinaina

Tsy hahantra na dia tsy ho mpanana koa

Saingy tsy hiveri-maina

F’hitondra ny ampy hiavian’ny soa



Ho avy aho hitoetra

Hanandradra anao ho ambon’ny fahoriana rehetra

Tsy handresy lahatra intsony

Fa hitony



Ianao sasa-miandry

Mizaka manginy izay midona

Tsy tafandry mandry

Nefa tsy kivy, tsy milona



F’injay ’sika hihaona

Ianao ’lay nitondra, ianao ’lay nizaka

Tsy olonolom-paona

Fa ho voasandratra ho mpanjaka

Afaka hitraka





DADAH

Partager ho avy tsy ho ela

Commenter ho avy tsy ho ela

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dadah