4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Maso mifanojo - DADAH-RIJA RAMANANTOANINA-FRANCIA

Vao injay nifanojo

Ireto fijery

Dia tsapako fa tojo

Fitia tena mahery

Toy ny varatra mipoaka

Nefa andro tsisy orana

Fa nisafoaka

Ny foko may toy ny nodorana

Ireo hafa nanodidina

Sy ny vorivory

Toa zary tandidona

Tsisy hitako akory

Nanitona ahy tsy namela

Ny masonao no hany tazako

Toy ny efa ela

Izy ireo no nandrasako

F’ianao nitsirika ahy

Somary nitsipalotra

Te hibanjina tsy sahy

Te hijery maharitra

Nifanadrify kosa

Tsy ela nefa tsapako

Fa tena tontosa

Tiako ianao rahavako

Raha toa mba tena izaho

Ilay voafidy

Ahitsio ny masonao

Ka aza avela hihidy

Ny masoko dinihinao

Fa ho hitanao tsara

F’ianao no tiako

Mamy fa anjara

ref.. f’ianao nimbajina ahy ...


Partager maso mifanojo

Commenter maso mifanojo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe DADAH-RIJA RAMANANTOANINA-FRANCIA