4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Andro ririnina - Dadah

Tsy ny fanananao harena

No hampiova ny fitiavako

Fa na misy na tsy misy volamena

Ianao no mba hany firavako



Ity foko efa tery

Feno fitiavana anao

Nahoana no dia avela irery

Moa va tsy mendrika anao?



Na ny masoandro aza akia

Tsy mamiratra no ianao

Maizimaizina ny aty

Raha toa ka hilaozanao



Feno rahona ny lanitra

Rava ny fanirihako

Naleonao nangarika

Toa izay hanatrika ny akiviako



Lasa ianao toy ny andro ririnina

Mitondra hatsiaka sy taratra

Izaho kosa mitomany toa zaza nariana

Irery tratra andro fahavaratra



Tsy ny elanelan-tany

No hampiova izato foko

Eny na lavitra ahy any

Ianao no tsarovako









DADAH

Partager andro ririnina

Commenter andro ririnina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dadah