4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Voahangy raraka - Dadah

Ny andro lohataona hono

Voahangy raraka

Nefa toy ny zava-poana

Rehefa injay isika tafaraka

Fa ’zay andro mibaliaka

Ts’isy antony

Resin’ ny fiarahantsika

Ny hakantony



Ny antsika anie ry Malala

Ts’isy dikany ny fotoana

Masoandro, orana, fanala

Ny mahafaly dia ny mihaona



Ny diamondra vatosoa

Tena miavaka

Fa ny fiarahantsika roa

Mbola hafa raha firavaka

Tsara ny volamena

Saingy mety hosoka

Fa ny toky ’zay nomena

Tsy voakosoka



Ny antsika anie sombinaina

Toy ny fati-drà

Raha tsy hoe miritra aina

Ny fatotra tsy hivaha





DADAH

Partager voahangy raraka

Commenter voahangy raraka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dadah