4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sao dia tezitra - Dadah

Raisiko ho ahy ny hadisoina

’zaho indray no hifona

Nefa aoka izay, aza avela hilona

Ataovy heloka ibabohana



Aoka hatao hoe ahy ny tsiny

Nahatonga iny ady iny

Nefa mangata-pamelana

Aza ivindavindana



Sao dia tezitra aho ny iafarany

Farany io avelako any

Tombon-tsoa ho an’iza moa?

Iza no ho voa

Tsy’ sy afa-tsy isika roa



Raha toa aho manetry tena

Sanatria tsy fahalemena

Fa raha toa samy sorena,

Tsy afak’ hidinika am-pahendrena



Raha mitady filaminana

Aza asetrinao fahanginana

F’izay mikotrika valifaty

Avoahy ny ao anaty



Ao re ry Lala o fa mifona

Nanao teny tsy tsaroana

Tsy hanin-droa marina moa

Mitsikia aloha

Etsy toneo ny fo



Tezitra ianao, tezitra foana

Tsy hay intsony hoe nahoana?

Mimonjotra toa trondro maona

Ny tambitambiko toa zava-paona



Inona moa ’lay nampiady teo?

Toa tsy tsaroko akory ’zay niseho

Fa erikerika lasa tondra-drano

Ady kely lasa angano



Toy izao no fiandohany

Ady kely tsy voavaha toy izany

No mitombo lasa tamboho

Mampisara-droa

Ny olona mifankatoa







DADAH

Partager sao dia tezitra

Commenter sao dia tezitra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dadah