4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Avia neny tiako - Dadah

Avia Neny tiako eto am-pofoko

Eto an-tsandriko ankavia mba hakaiky ny foko

Etsy (2) ho esoriko ireo volofotsy

Hitantarako angano ianao sady arahako rotsirotsy



O o o....



Ny adidy tsy efanao mbola tianao ho tohizana

Tsy mahatsiaro fahanterana tsy mahalala vizana

Mikisakisaka hita ho torovana aok’izay

F’ianao ’lay niaro indray no mba mila fiharovana



O o o....



Avia neny tiako f’aza miahiahy

Ny ataoko anie sombin’ny vitanao hatrizay

Etsy ho tantanako fa efa lanaka

Ny aina no (2) matezà f’ifampitaiza isika mianaka



O o o.....



DADAH


Partager avia neny tiako

Commenter avia neny tiako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dadah