4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zazavavy - Naly Rakotofiringa





Anisan’ny zavatra manahirana

Mahazo ny sain’ ny tovovavy

Na tokony ho lavina, na hidirana

Raha misy mangataka sy miangavy

Satria raha ho lavina

Sao hanenenana

Ekena avy hatrany toa misy tsininy

Tsara ho kendrena ny fitenenana

Fa tsy vita mora ny andinindininy

Tandremana koa ny maika loatra

Sao dia matahotra ho Iany zara

Manaiky lembenana tafahoatra

Mitady hampandroso ny tsy anjara

Misy dia misy ny maika hanana

Tsy mievitra akory izay hifaranana

Kanjo ilay ravina izay nihinanana

Tsy nahalazo akory dia noravana

Lasa nilefa ilay olon-tiana

Ny tena tsy afa-dratsiana

Ny ray aman-dreny fadiranovana

Mijaly eritreritra sy torovana

Ny taonan’ny zaza no afenimpeniny

Kanefa efa hitovy amin-dreniny

Tahak’izay re nekena na lasa

Toa nenina sisa mandatsa

Mafy ę! ny mitaiza zazavavy

Fa takona mantsy ny ho avy

Tandremo ny fatra-pifidy koa

Rehefa tara loatra dia mahavoa

Aza mitady izay fanaperena

Ny vitana mantsy dia indray miserana

Nahoana no antitra am-pijoroana

Ireo kirikiriana tsy hay toroana

Tsy ho avy intsony ireo tanora

Fa ny maty vady no hijaiko mora

Ekeo ihany na antitra aza

Tsy aleo mandray ve ny zaza



Naly

Partager zazavavy

Commenter zazavavy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Naly Rakotofiringa

Suite