4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Valin-kafatra - Naly Rakotofiringa

VALIN-KAFATRA



Io ’lay vorona mivimbina hafatra ho anay

Tonga soa ny hafatra koa dia voaray

Any ampitan-drano mantsy no misy azy ireo

Ny endriny miafina fa heno kosa ny feo



Fiv:

Vorona ô! Mahita ’reo hava-tsy foy

Hody ianao ka dia mba kalokaloy

Raha misento e ny any, ny aty mitomany

Mbola hihaona any indray andro any



Izy vitsika momba kitay

Lasa lavitra avy eto aminay

Izahay nilaozan-tsakaiza

Te handeha nefa tsy afa-mankaiza



Izy mipitrapitra irery

Dia nihevitra tena ho very

Izahay maniry ho any

Nefa lavitra loatra ny tany



Fiv: Vorona ô!......





Naly RAKOTOFIRINGA

Partager valin-kafatra

Commenter valin-kafatra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Naly Rakotofiringa

Suite