4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tanisa - Naly Rakotofiringa



Andao hilalao hanao tanisa

Fa sady fianarana mba manisa

Lalao fahiny fa mahafinaritra

Raho toa tsy mahay mijere maharitra



Lalao mahavariana sy tsy mamizana

Fa ho hay mora foana raho toa hikirizana

Andao haka vato an’kiroa mitovy

Raha toa tsy mahita ’ndao haka ovy



Aza sendaotra tohizo tsara

Aza mba kivy amin’ ny tsy ho anjara

Tanisa lalao fony fahizay

Nanjary nivadika ho hira indray



Tsy asihan-dromoromo fa kilalao

Korana tanteraka no hatao

Isika tsy hafa fa samy isika

Hihomehezo kely harao mozika



Raha toa ’ndray mandeha lahy no maty vary

Dia aza variana na be safary

Avela halefa ny tsy ho anjara

Fa ny aoriana dia be no tsara



Tanisa tanisa miverimberina

Tanisa tanisa lalaon’ Imerina

Vato ihany no hatao tanisa

Ny fitia tsy mba mila kisa



Itsa-ndroa, telo an-efatra

Tatazo mora fa tsy mavesatra

Dimy an’enina, fito am-balo

Harao tsikitsiky sy kalokalo



Tsivy am-polo, itsan-droa

Miara hasidina avaokoa

K’izay latsa-bato eo ’sika roa

Hangina tanteraka fa efa voa





Jeanne Naly - Naly

Partager tanisa

Commenter tanisa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Naly Rakotofiringa

Suite