4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Omeo hery - Antsa an'i Kristy

Io no voadiko Tompo ô!

Omeko Anao maimaim-poana

Ho kolokoloinao mba tsy hirenireny foana

Io ny fianako Tompo ô!

Tiako ho sakambininao foana

Hanetry tena hanompo Anao

Na ho voky na ho noana



Tsapako fa maro ny adidko

Dia ny mba hanova fo an’ireo zay tena mafy loha

Ampahalala fa misy fiadanam-po

Feno zava-tsoa avy amin’lay Tompo soa



Omeo hery aho hanao ny asanao

Hampihely hatrany mandra-pihavinao

Tsy hitandro hasasarana io na aiza na aiza haleha

Fa hamafy marina ny fitiavanao



Endrey ny vitanao tamin’ny fiainako

Manosika ahy hidera Anao

Raha mbola velon’aina o o!

Ampianaro aho Tompo ô!

Ampianaro aho tsy hivoana

Mba hambabo marina zay fanahy reraka



Androtsahy fanahy masina

Hiasa ato aminay

Hanavao ny toetranay

Ho tarafin’ireto vahoakanao

Ho mendrika tokoa ny ho solon-tenanao



Omeo hery aho hanao ny asanao

Tsy hierikerika fa hifikitra eo aminao

Tsy hitandro hasasarana io na aiza na aiza haleha

Fa hamafy marina ny fitiavanao



Omeo hery aho hanao ny asanao

Tsy hivily làlana mandra-pihavinao

Tsy hitandro hasasarana io na aiza na aiza haleha

Fa hamafy marina ny fitiavanao

Partager omeo hery

Commenter omeo hery

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antsa an'i Kristy

Suite