4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny teninao - Ny Ako

NY TENINAO



Ny teninao ry Ray

Fahazavàna mampahiratra ny masoko

Jamba aho teo aloha, tafintohina koa,

Tao anaty haizina

Ny teninao ry Ray manintsy raha mivily na mania

Mampiharina, mampianatra koa

Mpitarika izay mino.



Ekenay ho toriana, tsy havelanay hangina

Omenay ny hafa koa, ny teninao soa

Fa mbola maro be, ireo tsy nandre

Tsy nahita fahazavàna.



Ny teninao ry Ray

Sakafo ho raiketina am-po, mananatra tokoa

Ho hery enti-miaina, hanoro ny saina

Hanao izay sitrakao.

Ny teninao ry Ray

Ho tanako, ho toriko sy fiarovana

Ho hery enti-miady, ho fanoitra sy angady

Eo amin’ny fianako.  

Partager ny teninao

Commenter ny teninao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Ako

Suite