4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny hafany - Ny Ako

NY HAFANY



Tonga izahay, hamangy anareo

Koa ny teninay dia arahaba



Manina izahay ka tsaroanay fa ny havanay

Lavitra nefa tiana ny mba hifankahita indray

Faly ny fo sy ravo tokoa fa mbola tafahaona

Ka voalohan-teny dia arahaba

Salama daholo va tompoko ô !



Manina izahay...

...

Manantitra indray ary ny arahaba

Salama daholo va tompoko ô !



Ny vaovao ‘zay entinay

Manina hono ka izao no teny

Ny fiainana eto an-tany dia toa zavona ihany

Tsy fantatra akory ny andro mety hiafarany

Anio ianao miaina, ampitso tsy hay lazaina

Koa mandiniha ihany

Manahy Izy mantsy ndrao tsy hisy intsony

Ny ahafahanareo mifandray e !



Ny fiainana eto...

...

Manahy Izy mantsy ndrao tsy hisy intsony

Ny ahafahanareo mifandray e !



Hafatra moa nampitondrainy

Mba ho anao izao no lazainy

Ela no niandrasany hono izay ho valin-teninao

Im-betsaka hono mantsy Izy no nilaza fa tia anao

Ny fonao rehetra, ianao manontolo tadiaviny daholo

Jesosy Tompo no miantso anao

Ka mba valio re izao



Hafatra ...

...

Jesosy Tompo no miantso anao

Ka mba valio Izy anio.  



  

Partager ny hafany

Commenter ny hafany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Ako

Suite