4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny olo-tena namana - Ny Ako

NY OLO-TENA NAMANA



Ny olo-tena namana

Tsy voavidintsika harena

Sambatra loatra e ! (2 )

Izay manana azy fa tsy irery an’ady



Izay tena sakaiza, iza no toa azy ?

Tsy manary n’aiza n’aiza, iza no toa azy ?

Na amin’ny andro mety hampaory

Na amin’ny andro mety hampifaly

Vao ilaina dia indro fa avy

Ka manampy mampahery koa

Tena saro-bidy namana tokoa



Sakaizako ianareo ho Jesosy Tompo soa

Raha mino Ahy ( 2 )

Izaho homba anareo

Ary koa hitahy



Na ny aiko aza efa foiko

Sazy anjaranareo nosoloiko

Ka ny tanana atolotro raiso

Hamonjy sy hitondra anareo

Tsy ho diso fanantenana ianareo.  

Partager ny olo-tena namana

Commenter ny olo-tena namana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Ako

Suite