4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hafatra - Ny Ako

Izy mitazana foana miandry anao hiverina

Himpody eo anilany eo, ho mpinamana indray ianareo

Maro ireo efa nirahiny hitondra ny hafatra

Ianao tsy nety namaly, ny fony naratra mijaly

Hajanony aloha ireo ditra taloha

Hilaozy avokoa ireny tsy mahasoa

Andriamanitra mihintsy anie no tia anao

Ny fitiavany tsy mila tambiny intsony

Ny zanany mihintsy aza no efa nafoiny

Ahafahanao miverina aminy indray o ! o ! o !



Izy manomana ho anao fiainam-pandresena

Fifaliana eo anilany eo, tsy hisaraka intsony ianareo

Ny heloka efa vitanao ekeny ho hadinoina

Omeny fo vaovao, ho diovina ny lasanao.

Partager hafatra

Commenter hafatra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Ako

Suite