4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Eritreritra - Ny Ako

ERITRERITRA



Tena nahita Ramalagasy

Nilaza ny zavatra tsy hita maso

Dia ny ohabolana manao hoe :

« Aleo enjehin’ny omby masiaka e !…

toy izay enjehin’ny eritreritra… » bis



Nefa ny ratsy sy ny ota maro

Izay notenenina sy natao

Hatao ahoana no fanadino an’ireny ?

Soa fa nisy an’ilay niantso hoe :

« Avia manantona fa hodioviko » bis



Raha olondratsy ianao taloha

Ho tonga olona vaovao

Dia ho voavela ny heloka

Ary ny marina no fanao

Ho maty ny fahinin’ny aminao

IZAHO NO JESOA AMINAO





Tapitra hatreo ary ny ahy ny anjara

Ka ho faranako ny tantara

Anjaranao sisa no mitsara

ISA …. ROA….. TELO

Partager eritreritra

Commenter eritreritra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Ako

Suite