4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny malalako - Ny Ako

Ny malalako ve

Tsy nofidiko noho ny fitiavako taitra

Raha niserana bika, tarehy tena raitra

Tsy mba nandramako hatao haitraitra

Hisehosehoana toa lamaodina zaitra

Tsy fahaizako manokana no tena nandaitra

fa notsongaiko faka tanaty alinalina

Ho tafiako fitia, fitia tena marina

Hiarahako dia na andro, na alina

Ho hajaiko satria tena tsapako lalina

Valim-bavaka ianao tsy niniako namboarina



Ny malako ve

tsy nofidiko satria sao aho lany zara

Ka raha vao niteny nataoko ho anjara

Tsy filako fotsiny olona hikarakara

Ka hanararaotako izay hitako tara

Tsy mba fitia tandrevaka mety hizazara

Fa ny ananako anao ho mandrakizay

Dia ny fitiavana mbola averiko indray

Eny namako ianao tamin’ indrafo iray

Dia ny efa nanendry antsika hifandray

nofo aman-drà Andriamanitra Ray



Aorinay anio ny tokantranonay

Ambonin’ny fitia tsy noforoninay

fa fanomezantsoa izay noraisinay

Dia ny Agape fitiavana hafa iray

Ananan’ izay mino

Avy amin-Dray


Partager ny malalako

Commenter ny malalako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Ako

Suite