4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hoderaina anie ny tompo - Ny Ako

Dibodiboky ny hafaliana tokoa ny fonay

Raha mahita anareo vory maro be toy izao

Enga anie ka tsy hisy hody maina fa mba ho tonga

Amin’ilay famonjena izay tiana ho azon’ny tsirairay



Hafaliana tsy misy toy izany any an-danitra any

Ho amin’ny olona iray izay tena mibebaka

Fifaliana ihany koa ho an’ny olona ety an-tany

Fa mitombo isa ireo afaka amin’ny gadran’i Satana



Ho deraina ho deraina ho deraina anie ny Tompo

Fa Mpamonjy, Mpanafaka ireo voafatotry ny ota

Ho deraina ho deraina ho deraina anie ny Tompo

Fa tonga Izy mba hitady ireo very sy ireo mpanota



Haravoana tsy misy toy izany ato anatinay

Raha manaiky ianareo androany k’hibebaka

Hiara-paly amin’ireo anjely any ambony isika

Satria voavonjy ianao ka handova ilay paradisa



Fifaliana sy fahasambaram-be tokoa

Ny manaraka ireo baikon’i Jesô

Raha manaiky ianareo dia hiombona izany isika

Mibebaha fa izay no andrasan’i Jesô Tompo aminao



Ho deraina ho deraina ho deraina anie ny Tompo...

Partager hoderaina anie ny tompo

Commenter hoderaina anie ny tompo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Ako

Suite