4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Havako Ô! - Ny Ako

HAVAKO Ô!



Havako ô !

Fantatro fa tsapanao izao

Fa mijoro eo anilanao

Ka maniry Izy ho ao anatinao

Havako ô !

Ny fonao no angatahiny

Hitoherany ho lapany

Ka vohay, ô mba vohay !

Fa Jeso io mandona io.



Namako ô !

‘Zay efa renay sy hitanay,

‘Zay nandramanay ka fantatray

Dia mahay manafaka ny fatotrao

Namako ô !

Tsy anganongano fotsiny

Fa tena zava-marina io

Jeso tia, Jeso tena tia

Haneho anao ny heriny.



Rehefa i Jeso no mitoetra ao anatin’ny fonao

Ho rava ny ratsy, ny soa hatrany no vatsy

Rehefa i Jeso no mitoetra ao anatin’ny fonao

Ho foana ny ahiahy, hiadana ny fanahy

Rehefa i Jeso no mitoetra ao anatin’ny fonao

Ny tahotra ho lasa, finoana no miasa.

E ! falifaly e !

E ! korana e !  

Partager havako Ô!

Commenter havako Ô!

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Ako

Suite