4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fanekena - Ny Ako

FANEKENA



Tsy haiko ny hanazava

Ny ao am-poko ao

Tsy misy haharava ny fitiavako Anao

Andriamanitra ô ! ny amiko afoiko

Ianao irery ihany no tiako sy tompoiko



Tsapako tokoa, f’Ianao Ilay be fitia

Nanome ny lahitokanao hamonjy anay tety

Mahatsiaro ireny aho, ka tohina ny fo

Ianao irery ihany no antony ahavelomako



Fanekeko ny hiaraka aminao

Hanorina fiainam-baovao

Feno fitiavana sy hasambarana

Hafa noho ny an’izao tontolo izao.



Ny làlana hizorako

Sarom-pantarina

Ho diavina ihany koa ny ankasomparana

Hifikitra aminao aho n’inona n’inona hanjo

Ho eo anilanao amin’ny androm-piainako.

Partager fanekena

Commenter fanekena

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Ako

Suite