4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Satria nandray ... - Ny Ako

SATRIA NANDRAY ...



‘Zahay tanora ireto izay hitanao

Dia manan-kambara ho lazaina anao

Niova izahay tonga vaovao

Ny antony tsotra dia toy izao



Satria nandray an’i Jesô Tompo izahay ( 2 )

Tsy anjely na masina tany am-bohoka izahay

Fa mpanota voavonjin’i Jesô Zanaky ny Ray

Ka ianao izay mihaino anio koa asainay e !

Mba hiara-mandova ny fiainana mandrakizay !



Taloha izahay tsy nanao ny tsara

Fa fefiky ny ota ‘zay tsy voarara

Tamin’ny farany dia vaky barara

Ka nibebaka soa ihany fa tsy tara



Satria nandray an’i Jesô Tompo izahay ( 2 )…



Ny fahazaran-dratsy dia tao tokoa

Namatotra mafy sy nahavoa

Fa nony efa tonga Jesosy soa

Dia niova izahay, fa nahoana moa ?



Satria nandray an’i Jesô Tompo izahay ( 2 )…  

Partager satria nandray ...

Commenter satria nandray ...

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Ako

Suite