4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny nisoloany anao - Ny Ako

NY NISOLOANY ANAO



Ny nisoloany anao no niantonany

Teny ambonin’ny hazo ‘zay nijaliany

Dia noho ny heloko sy ny helokao

Ny niharetany eso, latsa koa,

Kapoka maharary, hetaheta mahamay

Dia noho ny otako sy ny otanao.



Moa avelanao ho latsaka an-tany ve ?

Ireo dinitra nalatsany sy ràny nitete

Fa ny ràny tsy nataony ho zavatra

Fa narotsany mba hanadio anao.



Raha lavinao anio ny antsony,

Hoy ianao rahampitso, rahampitso lava izao

Sao tsy ahatratra izany intsony ianao !



Moa ho lavinao anio ny antsony

Ka tsy hitsangana ianao handray ny tanany

Fa ny tanany mahery no hanafaka anao

Amin’ny ota izay mbola mibahana.



Ny nisoloany anao no nihantonany

Teny ambonin’ny hazo ‘zay nijaliany

Dia noho ny heloko sy ny helokao.  



  

Partager ny nisoloany anao

Commenter ny nisoloany anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Ako

Suite