4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Te hiara-dia - Mage 4

Navahotra aho ela izay
Tsy niala ao anatiko ao
Ireo teny novolenao
Voafafinao hatrizay

'lay irery aho tsy afa-nania
Satria tia te hiara-dia
Nafeniko anao ilay foko tia
Voafatotrao hatrizay
Niafina irery ho anao

Niafy aho tsy sahy aho ny niteny hoe
Mangetaheta anao aho
Ny fo sy ny saiko nirediredy hoe
Tsisy ohatranao raha ny ety

Feno fitiavana ao am-poko ao
Tsy misy toerana intsony
Rakotra tantely tsy hay hidirana
Itoeran’ny mamy ho anao

Toy ny masoandroko ianao
Tsy handao ny androm-piainako
Hery sy hafanana ho ahy
Osa aho raha lavitra anao

Manam-pinoana aho anio (manantena aho f’izao)
Fefy ny angolanao (Ilay fanirianao hatrizay)
Ilay fonao malemiko aty (Fantatrao fa)
Toy ny feno ny fitia (tsy sahy niteny aho satria)
Satria voaloham-pitia

Niafy aho tsy sahy ny niteny hoe
Mangetaheta anao aho
Ny fo sy ny saiko nirediredy hoe
Tsy misy ohatranao raha ny ety

Feno fitiavana ao am-poko ao
Tsy misy toerana intsony
Rakotra tantely tsy hay hidirana
Itoeran'ny mamy ho anao

Partager te hiara-dia

Commenter te hiara-dia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mage 4

Suite