4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hiverina indray ny fahiny - Mage 4

Niverina indray ny fahiny
'Lay toetranao nafinaritra ahy
Mampitory fitia!
Niezaka foana teny aho
F'ianao no tsy nety.

Ankehitriny anefa,
Tsapako ianao fa efa tia
Fa tsy nampiseho
'Lay fonao tsy natoy taloha
Natahotra ny ho tia.

Ianao tsy niteny nefa tia
Fa vahotra ny vavanao minia
Na sarotra aza ny iananao ireny,
Naleonao niery
Ianao tsy nijery nefa tia
Tsy sahinao naseho izany satria
Sao potika sy rembin'ny tadio
Lay fonao madio!

Natopatopan'drivotr'eny
Ny hakanto sy hanitr'ny fitia raha
Tazako ianao
Ny tsikinao miantso fa toa
Tsy sahiko sedraina

Adinoko avokoa ny tontolo
Ny alahelo tsy hanalok'intsony
Nidify tsy hita
Tsisy tsaroana ireo raha
Hanoroka anao

Ianao tsy niteny nefa tia
Fa vahotra ny vavanao minia
Na sarotra aza ny iananao ireny,
Naleonao niery
Ianao tsy nijery nefa tia
Tsy sahinao naseho izany satria
Sao potika sy rembin'ny tadio
Lay fonao madio!
.........

Partager hiverina indray ny fahiny

Commenter hiverina indray ny fahiny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mage 4

Suite