4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fo vaovao - Mage 4

Tsy mety mionona intsony ’lay fitia

Tsy mety fa mitroatra

Tsy mety mitony f’efa babonao

’Zay rehetra atao tsy very dia aho

F’ianao tiako loatra

Ny eritreritro rehetra manaraka anao



’Reo teny mafy fanaoko toa nandratra

Nihafinao hatrizay

Ny fihetsiko toa tsy nitory fitia

Bedibedy koa haiko fa tsy zaka

Dia raozy ankiray

Noheveriko fa ampy hampionona an-dry



Sokafy ny fonao mba hidirako

F’ianao irery ihany no afaka halala

Marary anatiko ao ka mila tsy tantiko

Fantatrao ihany izay tia adala



Tia ka mahafoy anao aho

’Zay rehetra nankarary anao

Nefa niniako foana mbola natao

Hadinoy fa ny foko dia hiova vaovao



Ato anatiko mahamay tsy tanty

’Lay fitia ho anao

Tsy hay tohaina, tsy hay atao

Fa ny fo babo loatra tsy mahatanty

Tsy mahay hatrizao

Atao ahoana no tianao hitiavako anao




Partager fo vaovao

Commenter fo vaovao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mage 4

Suite